Raharaha 29 martsa 1947

Tonga indray ity ny fahatsiarovana ny « raharaha 29 martsa 1947 », ny petra-boninkazo sns. Mangataka fanazavàna na farafaharatsiny hevitra momba ny zava-nitranga ny tenanay satria toa teren-katelina fotsiny ity Tantara ity. Mbola maro ireo vavolombelona ary inoana fa misy ny rakitsoratra momba ny zava-nitranga.

Hatreto mantsy dia aravona na fintinina hoe tolon’ireo malagasy maty ho an’ny tanindrazana, fikomiana ho fanoherana ny mpanjanaka, ady ho an’ny fahaleovan-tena… sy fahatsiarovana ireo maty aman’alina (na aman’hetsiny. Aiza ny marina?) noripahan’ny mpanjanaka.

Misy anefa ny milaza (ary mahaliana ahy tokoa) fa « manipulation »-n’ny mpanjanaka ireny tabataba ireny ahafahany manamarina ny fampiasan-kery namotehana ny MDRM izay nanao tolona politika – tsy narahina herisetra (ary mifanaraka kokoa amin’ny toetra malagasy) toy ny nataon’i Gandhi – nefa nahery vaika tokoa manoloana ny Antenimiera frantsay.

Iza tokoa moa no nahazo tombony amin’ny fisian’ny sakoroka? Nihevitra tokoa ve ireo nikarakara ny fikomiana fa afaka ny handroaka ny mpanjanaka  amin’ny lefona? Ny vokatry ny tabataba manko dia ny famoretana ny MDRM (Ry Dr Raseta sy ny namany), ka naharava ny tolona politika efa nihanahazo laka. Raha fehezina io hevitra io dia hoe tsy tombontsoan’ireo nitolona hoa an’ny fahaleovan-tenan’i Madagasikara velively ny fikomiana mitampiadiana tao Moramanga sy ny faritra Atsinanana tamin’ny 1947 fa vao maika nanome vahana ny mpanjanaka. Ary azo heverina ho norafetin’izy ireo mihintsy aza.

Iza marina noho izany ireo mpamadika tanindrazana? Fantatra koa aloha fa malagasy ihany no anisan’ireo nanao hazalambo, nanagadra na namono ny malagasy hafa. Ekeko hoe sarotra ny valin’io fanontaniana io satria mbola maro amin’ireo nandray anjara no mbola velona, eo koa ireo taranaka,  ka samy hiaro ny fomba fijeriny sy ny tombontsoany na dia mila manafina ny marina aza izy ireo noho izany.

 

 

1 Response to “Raharaha 29 martsa 1947”



  1. 1 Lever les tabous | pov Rétrolien sur mars 29, 2013 à 9:36

Laisser un commentaire

Entrez vos coordonnées ci-dessous ou cliquez sur une icône pour vous connecter:

Logo WordPress.com

Vous commentez à l'aide de votre compte WordPress.com. Déconnexion / Changer )

Image Twitter

Vous commentez à l'aide de votre compte Twitter. Déconnexion / Changer )

Photo Facebook

Vous commentez à l'aide de votre compte Facebook. Déconnexion / Changer )

Photo Google+

Vous commentez à l'aide de votre compte Google+. Déconnexion / Changer )

Connexion à %s




Blog Stats

  • 82,049 hits
mars 2012
L M M J V S D
« Fév   Avr »
 1234
567891011
12131415161718
19202122232425
262728293031  

%d blogueurs aiment cette page :